Actualités

Ankavandra Omby 850 tsy hita popoka


  • Alakamisy 19 Mey 2016

Andian’omby niala tany Antsalova tokony hamidy ao Tsiroanomandidy, no nisy nanodinkodina tao Ankavandra, distrikan’i Miandrivazo ary tsy hita popoka hatramin’ny omaly nandraisana ny vaovao.

 

 Patiraon’omby maromaro no tompon’ireo 850 ireo. Niala tany Antsalova ny talata 10 mey ny omby ary nihazo an’Ankavandra, izay lalana tsy maintsy lalovana. Tao no voalaza fa nisy nanodinkodina ny omby, ary ireo nokaramaina hiaro ny omby tsy horobain’ny dahalo eny an-dalana ihany no ahiahiana ho ao ambadik’izany. Nivory tao Tsiroanomandidy ireo Patiraon’omby niaraka tamin’ny Foko 18 ny sabotsy teo, niara-nitady vahaolana manoloana izao fibodoana fananan’olona izao. Re mantsy fa mpitandro ny filaminana no ao ambadik’izao raharaha izao, ary mitaky vola be hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ariary ho tambin’ny famotsorana ireo omby ireo. Miantso ny manampahefana mahefa ireo patiraon’omby hijery vahaolana momba ity raharaha ity, fa mety hisy fiantraikany amin’ny tsenan’omby isaky ny alakamisy sy zoma ao Tsiroanomandidy izao, hoy izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT