Actualités

Ankatso Velona ny tabataba


  • Talata 17 Mey 2011

Nafana tampoka ny teny Ankatso omaly antoandro. Nifamotoana tao amin’ny Esplanade ireo mpianatra ary avy eo nivoaka ny faritra ka dia nidina teny amin’ny fiantsonan’ny taxibe mba haneho ny heviny mikasika ny fomba fitantanana ny fampianarana ambony amin’izao.

 Maro anefa ireo mpanara-maso no nilaza fa efa andalan’ny filaminana io resaka fampianarana io saingy dia izao no vokany. Raha ny fitakian’ny mpianatra tokoa dia mialoha ny 16 mey no miditra mianatra ireo tanoran’ny anjerimanontolo. Nanantena izany izy ireo omaly, saingy tsy raikitra ka dia velona ny tabataban’ny te hianatra. Nanambara ny minisitra Rabesa Zafera Antoine ny alarobia 11 mey teo fa efa vonona avokoa ny enti-manana handoavana ireo marimaritra iraisana ireo hahafahana manokatra ny taom-pianarana ary nanondro datin’andro fidirana mihitsy aza ny tenany fa mandray asa ireo mpandraharahan’ny oniversite manomboka ny 12 mey. Araka ny nambaran’ny filohan’ny SECES, Rasoamiaramanana Armand tamin’ny herinandro iny anefa dia tsy mbola handray ny asany ireo mpampianatra mpikaroka manerana ireo oniversite enina. “Tsy hisy ny fampianarana raha tsy voavaly ireo teboka enina ao anatin’ny marimaritra iraisana nifanarahana tamin’ny ministera na farafaharatsiny mahazo fanazavana mitombina miaraka amin’ny datin’andro andoavana ireo izahay”, hoy izy. Araka ny fantatra omaly dia hanao fivoriambe izy ireo amin’ny zoma izao. Midika izany fa tsy hisy fampianarana handeha eny Ankatso mandrapahatonga io andro io. Vao mainka nampiakatr’afo ny mpianatra ny toe-java-misy. Nandrehitra kodiarana fiara sy nandavo pôtô izy ireo omaly nanakanana ny fidirana teny Ankatso, nentin’izy ireo nanehoana hatezerana. Efa niatrana amin’izay mety ho fihoaram-pefy koa anefa ny Emmo-Reg.

 

Jean D.

 

Sary : Nandoro kodiarana fiara teny am-pidirana an’Ankatso ny mpianatra omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT