Mirongatra ny fananganana trano sy tsena tsy ara-dalŕna eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra eny Ankatso II amin’izao fotoana izao.
Saika mijoalajoala avokoa ny ankamaroan’ireo trano vao haorina raha somary kelikely kosa ny tsena. Vokany, saika feno trano avokoa ny toerana malalaka rehetra. Elakela-trano sisa no manelanelana ny tranon’ny mpianatra amin’ny tranon’olon-tsotra. Manoloana izany dia hisy ny fivoriana hiarahan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny CROUA, sampandraharaha mpitantana ny fotodrafitrasa ho an’ny mpianatra ato ho ato. Fihaonana izay efa natomboka, tapa-bolana lasa izay ka niarahan’ny roa tonta nanapa-kevitra fa harodana avokoa izay trano sy tsena tsy ara-dalàna rehetra eny Ankatso II. Andrasana, araka izany, izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Ireo tompon’ny trano sy ny tsena koa eo an-daniny, miziriziry tsy manaiky lembenana, ireo manangana mbola manohy ny asa ihany ka ho hita eo ny tohiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.