Actualités

Ankatso Hiato ny hetsiky ny mpianatra ?


  • Zoma 06 Mey 2011

Nifanatona ny solontenan’ny mpianatra sy ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo, tarihin’ny filohany Pr Andriatsiamavandy Abel omaly ary nifampiresaka an-databatra boribory.

 Mazava ny an’ny mpianatra fa dia ny fitakiana ny hamoahana datin’andro mazava hanombohan’ny taom-pianarana vaovao, mialoha ny 16 mey 2011, eo koa ny amin’ny vatsim-pianarana. Nihaino azy ireo ny mpitantana ny oniversite, saingy nilaza ny filohany fa tsy anjarany ny manapaka izany. Nivoitra tao anatin’ny dinika sy ny fifanakalozan-kevitry ny roa tonta anefa fa hangataka fihaonana mivantana amin’ny praiministra sy filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, hanazavana ny zava-misy izy ireo. Nampahafantarin’ny Pr Andriatsiamavandy Abel rahateo fa tsy mbola voarotsaka ao anatin’ny kitapom-bolan’ny oniversite tantanany ny vola nambaran’ny minisitry ny fampianarana ambony.

Andrasana, araka izany, raha hisy mpihaino ny fangatahana fihaonana nataon’izy ireo. Tsy eto an-toerana moa ny praiministra, ary heno fa hihazo an’i Farafangana kosa ny filohan’ny FAT anio. Mety ho izay no nandraisan’ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Hery Rajaonarimampianina tao Antaninarenina ireo solontenan’ny mpianatra omaly hariva. Fihaonana tsy azon’ny mpanao gazety natrehina. Resaka mandeha no milaza fa mety hampiato ny hetsika ataony aloha ny mpianatra. Ireo mpitarika hetsika teny Ankatso anefa omaly dia nanamafy fa tsy mijanona ny fitakian’izy ireo raha tsy mahazo valiny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT