Nandriaka ny ra tao amin’ny tokantrano iray ao Tsarafidy, Kaominina ambanivohitra Ankaranana, Distrikan’i Soavinandriana Itasy ny alin’ny alakamisy hifoha ny omaly zoma 10 jona 2016.
Vehivavy iray miteraka telo, ary mbola manan-janaka menavava enim-bolana, no maty tsy tra-drano notifirin’ny miaramila iray teo amin’ny tratrany, ambonin’ny nonony ary gorobaka hatrany andamosina. Noratrain’ity miaramila ity tamin’ny basy ihany koa ny rain’io vehivavy io, ary nalefa notsaboina maika tao Miarinarivo. Miaramila avy ao amin’ny RTS Fiadanana, nantsoin’ny Kaominina any an-toerana hanamafy ny fitandroana ny filaminana any an-toerana, ity nahavanon-doza ity. Nitsoaka, niala tao an-toerana avy hatrany izy taorian’ny zava-doza vitany. Niaritory hanao hasoavan-jaza ny tao amin’ity tokantrano ity, no tonga tampoka andro alina ilay miaramila. Nanao akanjon’olon-tsotra izy ary nisarontava nefa nirongo basy lava, fihetsika izay nampiahiahy ny tao an-trano. Nanangan-tezitra ilay miaramila fa hoe tsy nilazana tamin’izao lanonana izao ary dia nidaroka sy nandratra an’ilay raiben-jaza, lehilahy tokony ho 54 taona eo. Taitra tamin’izao herisetra atao an-drainy izao ilay zanany vavy, telo anaka ity, ka ndeha hiaro azy saingy tamin’izay indrindra notifirin’ilay miaramila tamin’ny basy ary dia maty tsy tra-drano. Tsy hanaiky mora ny zava-nitranga ny fianakavian’ny maty fa hametraka fitoriana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.