Nanova zavatra teny amin’ny fokontany Ankadivato Ampandrana Andrefana Antaninandro Sainte Marie,
hoy ny sefom-pokontany ao an-toerana Rasoamiaramanana Solofonirina ny fisian’ilay jiolahy roa maty notifirin’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana, volana vitsivitsy lasa izay. Nahatsapa ireo mpanao ratsy eny an-toerana fa misy mpitandro ny filaminana tsy manao fanamiana manao fisafoana sy mivezivezy eny an-toerana ka raiki-tahotra izy ireo. Vokany, tsy nandrenesana asa fanendahana intsony teny an-toerana hatramin’izay, indrindra fa ny teny amin’ny faritr’i Mangarivotra sy ny eny amin’ny annexe Jules Ferry. Mahatsiaro ho afa-miaina toy ny olon-drehetra ireo mponina eny an-toerana. Mikasika ny fanaraha-maso ireo vahiny miditra sy mivoaka ao anatin’ireo tokantrano dia hentitra ny fokontany amin’ny fijerena izany ho fitandroana ny fandriampahalemana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.