Efa tsy miafina intsony fa amin’ny andro antoandro be nanahary izao no mandray vola ireo polisy mpandrindra ny fifamoivoizana etsy amin’ny “rond point” Ankadimbahoaka.
Ireo taksibe sy taksibrosy manao zotra rejionaly no tena lasibatra amin’izany ka manodidina ny 5 000 Ariary no takalon’ny fanomezana ny taratasin’ny fiara izay nalaina. Na dia nisy aza ny «contravention» nosoratana tamin’ny fakana ireo taratasin’ny fiara dia tsy tonga any amin’ny foiben’ny polisy izany fa eny an’arabe ihany dia efa voalamina ny resaka rehefa mametraka kely ka manolotra vola ireo mpanampy ny mpamily. Maro be ny olona mpandeha taksibe vavolombelon’ity kolikoly eny Ankadimbahoaka ity. Ny teny aloha no hita fa toerana maro eto an-drenivohitra no hahitana polisy mandray vola ho takalon’ny famerenana ny taratasin’ny fiara nalainy. Olana roa no mitranga eto, voalohany dia mandringa tanteraka ny fampiharana ny lalàna satria vitan’ny vola ny resaka, faharoa dia na misy fiara aza izany ka efa tsy tokony hiasa noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika na noho ny fandikan-dalàna misesisesy dia manome vola fotsiny dia afaka mandeha am-pilaminana. Mitranga ny loza avy eo dia ny olona tsy manan-tsiny no mamoy ny ainy na mitondra takaitra. Mahafantatra tsara izao tranga izao ny tompon’andraikitry ny polisim-pirenena, nilaza fa efa nandray fepetra, saingy hita fa tena maivana loatra ilay fepetra noraisina ka tsy nanova zavatra firy, ary ny mampanahy aza dia sao lahy ka noho ity vola miditra isan’andro amin’ny fanaovana kolikoly ity no nahamaika ny tanora sasany hiditra ho polisy farany teo ? Ao anatin’izao rivotry ny fanovana mitsoka eto amin’ny firenena izao no tokony hanitsiana ny zavatra tsy mety rehetra, anisan’izany ity kolikoly ataon’ny mpandrindra ny fifamoivoizana ity, tsy an-tanàn-dehibe ihany fa amin’ny lalam-pirenena ihany koa. Rehefa misy ny lalàna apetraka dia tsy maintsy hajaina izany raha toa ka tiana hirindra ny fiarahamonina, fa raha fiainana anatin’ny kolikoly sy gaboraraka no mbola tohizana eto dia tsy handroso mihitsy ity Madagasikara ity e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.