Ankadilalampotsy

> Raim-pianakaviana maty nianjeran'ny trano, may ny classic real stone


  • Talata 08 Oktobra 2013

Tsy tonga tany amin'ny hopitaly akory dia maty i Jean kely, mpanamboatra trano, noho ny ratra nahazo azy omaly maraina tokony ho tamin'ny 8ora maraina.

Vao niditra niasa izy sy ny namany iray ny maraina dia nanala ny hazo mihazona ny "beton" izay mitondra ny lavarangana vao nataon'izy ireo. Vao afaka ireo hazo dia nianjera tany aminy tampoka ilay lavarangana izay milanja valon-jato kilao eo ho eo. Ilay namany moa teo akaikiny teo ihany saingy tafatsoaka na dia voadona aza ny lamosiny,  izay rehefa nozahana teny amin'ny hopitaly dia tsy misy atahorana ny fahasalamany. Mbola teny amin'ny fokontany Ankadilalampotsy ihany koa ny hariva tokony ho tamin'ny telo ora dia nirehitra ny trano fitehirizan'entan'ny orinasa CLASIC REAL STONE. Tsy nisy azo noraisina mihitsy ny entana tao amin'ilay trano izay misy simenitra, fantsona plastika sy ny kojakoja maro izay mitentina amin-tapitrisany maro. Rehefa nanontaniana ny olona tao amin'ilay trano dia nambarany fa ny afo avy ao ambadiky ny tambohon'izy ireo no nahatonga ny afo. Nisy olona nandoro fako tao ary efa notenenin'izy ireo nefa dia mbola nanao ihany. Nanakatra ny rindrina hazo  tamin'ilay trano ilay afom-pako ka nitarika ny firehetana. Tonga teny an-toerana moa ny ben'ny tanànan'Ankaraobato. Niantso ny mpamonjy voina izy nefa dia nilaza iretsy farany fa tsy faritra hiadidiany intsony, hono, iny faritra iny. Ny mpamonjy voina etsy Tanjombato tsy miasa intsony noho ny fahasimban'ireo fitaovana ao aminy. Ny mponina manodidina ihany  no nanao izay ho afany tamin'ny famonoana ny afo.

                                                                                                                                                                                                   Nofy .R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT