Nitrangana fanafihana mitam-basy teny Ankadilalampotsy Kaominina Ankaraobato ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 01 ora. Trano roa, bar sy tranon’olon-tsotra, no indray voatafika.
Niantso vonjy tamin’ny zandarin’Andoharanofotsy ireo voatafika fa tsy nisy mandray ny tao, araka ny filazan’izy ireo. Niantso ny polisin’i Tanjombato indray. Azo antso ireo farany ary antsasakadiny taorian’izay dia tonga. Nahatratra olona iray nihaodihaody teo amin’ny toerana nisian’ny fanafihana ny polisy. Voalaza fa zandary am-perinasa io. Hiambina tany Amboanjobe no iraka tokony ho nataony. Mampiahiahy, araka izany, ny nahitana azy amin’ny andro alina teny Ankadilalampotsy nanao fanamiana fitondra miady ambany, ankanjo mainty ambony ary manao tenisy. Ireo olona voatafika rahateo dia samy nanondro fa anisan’ny nanafika azy ireo io. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria Tanjombato izy. Nohenoina teny koa ireo niharam-boina omaly, naharitra hatramin’ny hariva. Nanao andiany ireo mpanafika ka vola sy volamena no takian’izy ireo vao tafiditra ny trano. Nisy vehivavy voadaroka ka tapaka ny tanany nandritra ity fanafihana teny Ankadilalampotsy ity.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.