Actualités

anjombato Nisy omby tafiditra tao amin’ny Jumbo Smart


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Hafa kely ary tsy fahita ny zava-nitranga teny amin’ny Jumbo Smart Tanjombato ny sabotsy lasa teo. Nisy mpijery tsena sy mpiantsena niavaka, niditra ary nijerijery entana;

omby iray no tafiditra tao anatin’ity trano fivarotana goavana ity.Mazava ho azy fa nanaitra ny olona tao izany , nampikorapaka sy nampitsoaka mihitsy aza.Ahoana moa no hieritreretana hoe iny misy omby miditra ao amina “Grande surface” itay amin’ny andro atoandro be izao. Tsara ho marihana fa misy toerana fiantsonan’ny fiara (Parking) midadasika be eo ivelany, mbola ahitana banky syy toeram-piasakafoanana hafa ihany koa ny ilany atsimo ampitan’ny Jumbo Smart.Eny am-pita atsinanana efa ho 200 metatra miala ity trano fivarotana lehibe ity no misy ny arabe, ary eo akaikiny eo no misy toerana somary malalaka misy bozaka ary matetika hahatazanana omby miroak’ahitra. Omby nambenana teo eo amin’ny manodidina ihany ity niditra magazay ity raha ny filazan’ny olona teny an-toerana, soa ihany fa tsy nisy ny zavatra simba na sanatria olona naratra fa ny fahatairana no tena betsaka.Mampieritreritra eo amin’ny fomba fandaminana ny fiarahamonina misy eto ny tranga tahaka izao; omby miriaria eny rehetra eny eto amina tanan-dehibe; iny aloha dia efa hafahafa ihany, sady mibahan-dalana, manao maloto ary mety hampidi-doza sy hiteraka lozam-pifamoivoizana. Fa ny tena mbola mila ezaka dia ilay tsy fiheverana ny hafa fa hoe izay mety amiko ihany aloha no ataoko.Tia tena loatra ny Malagasy , hoy ny teratany vahiny iray nandinika ny fiarahamonina teto, ary tena misy no tsy mivaky loha amin’ny hafa izany mihitsy.Fa etsy ankilan’izay dia tahaka ny hoe tany tsy misy lalàna, tsy misy fitsipika fa dia samy manao izay tiany.Tany tsy misy fanjakana e.Sa ve efa tafiditra eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny andian’omby vao handray fepetra ?
RTT
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT