Ramatoa lehibe iray manodidina ny 60 taona no maty naolan’olon-tsy fantatra sy natsatoky tao amin’ny trano fivoahana ny lohany teny Anjomakely,
kaominina Bongatsara ny faran’ny herinandro teo. Ity Ramatoa lehibe ity irery no tao an-tokantranony tamin’io fotoana io raha araka ny fantatra raha samy lasa tany an-tsaha avokoa ireo fianakaviany. Efa tsy nisy fofon’aina intsony Ratompokovavy vao tonga ny olona ka nandritra ny fisavana nataon’ny mpitsabo no nahafantarana fa nisy fanolanana ihany koa ilay tranga. Raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Fokontany ao Anjomakely moa dia toerana somary mangina anaty kirihitr’ala no nisy ity Ramatoa lehibe ity ka na niantso vonjeo aza izy dia tsy hisy handre mihitsy. Efa nisy rahateo ny vatana mangatsiakan’olona novonoina nariana teny amin’iny faritra iny hoy hatrany izy. Tovovavy lahy mpivezivezy tao amin’ity Ramatoa lehibe ity izay mpanampin’ny rahavaviny ihany no nifampitadiavana taorian’ity tranga ity koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.