Actualités

Anjomakely Bongatsara Lozam-pifamoivoizana naharatrana olona mianaka


  • Sabotsy 27 Jolay 2013


Vehivavy iray, 30 taona, monina ao Ampangabe Tsinjony, niaraka tamin’ny zanany vao telo volana monja no naratra mafy vokatry ny fifandonana taksibe miisa telo be izao ny 24 jolay lasa teo teny Anjomakely, Kaominina Bongatsara, lalam-pirenena faha-7 PK 17+800. Taksibe iray ao amin’ny zotra F no fototry ny loza. Nijanona tampoka teo amin’ny toerana tsy fiantsonana akory ka voadonan’ny zotra F ihany tao afarany. Noho ny fifanenjehana nisy teo amin’ireto fiara ireto anefa dia mbola nisy taksibe fahatelo voadona. Vokany, naratra mafy noteren’ny seza izy mianaka kely ireo noho ny hamafin’ny fifandonana. Nentina notsaboina avy hatrany etsy amin’ny hopitaly HJRA Anosy izy ireo ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy. Ny zandarimariam-pirenena etsy Andoharanofotsy no mandray an-tanana ny raharaha amin’izao fotoana izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT