Actualités

Anjanahary Nanao fihetsiketsehana ny havan’ny maty notifirin’ny Polisy


  • Talata 28 Jona 2011


 Nafanafana teny Anjanahary omaly tolakandro. Naneho ny hatezerany tamin’ny namonoan’ny polisin’ny GIR an’i Tafita, mpilalao rugby, ka nilanja sorabaventy teo anoloan’ny paositry ny polisy eny an-toerana ny fianakavian’ny maty nampian’ireo mpanao rugby amin’iny faritra iny sy ny Fokonolona Anjanahary II O. Manizingizina ny fianakaviany fa tsy olon-dratsy ny havany. Etsy ankilany anefa dia mandeha ny feo fa ahiana ho anisan’ireo jiolahy nanafika sy nanapoaka basy tao amin’ny kaoperativa Vatsy i Tafita. Ny alin’ny alakamisy 23 jona teo no nitifiran’ny polisy azy. Ny zanany lahy niantso tamin’ny finday, nanafatra azy mba hitondrana “jus” no nahalalan’ny fianakaviany io fahafatesana io, satria polisy no namaly ary nampilaza fa any amin’ny “morgue” ny fatin’i Tafita. Mandeha moa ny fanadihadiana ka dia ho hita eo ny marina mikasika ity raharaha ity.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT