Angovo fandrehitra mandripaka tontolo iainana

90 000ha ny ala ripaka teto tao anatin’ny 10 taona farany


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2024

Mbola tena miankin-doha betsaka amin’ny « biomasse » sy ny « énergie fossile » izany hoe :

ireo angovo manimba tontolo iainana sy ny manodidina ny petirôla ny loharanon’angovo fandrehitra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny 95% ny fianakaviana malagasy no mbola tsy tafiditra amin’ny angovo sy ny teknolojia maharitra sy madio amin’ny resaka angovo hoenti-mahandro. Mbola ny 35,1% monja amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra, ary misy elanelana lavitra be satria 60% amin’io dia amin’ny faritra an-tanàn-dehibe ary 15,1% monja ny an’ny tontolo ambanivohitra, raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2022. ambanivohitra (15,1%) tamin'ny taona 2022. Mihazakazaka ny faharipahan’ny ala, mihoatra ny 90 000 ha ny ala no voakapa nandritra ny folo taona farany. Ny vehivavy, ny ankizy ary ny vahoaka marefo no tena voakasika amin’ny tsy fisian’ny angovo madio, miaraka amin’ny fandraisana anjara latsaky ny 10% ny vehivavy amin’ny sehatra. Ny vokatra ratsy avy amin’ny tsy fidirana amin’ny angovo madio dia manimba, tsy vitan’ny tontolo iainana fa koa ny fahasalamana sy ny toe-karena ao amin’ny fianakaviana. Nanomboka ny herinandro lasa teo ny famolavolana ny politika ho an’ny fampandrosoana ny fandrehitra madio. Araka ny filazan’ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, ny firenena dia tsy maintsy manamafy ny famatsiam-bola amin’ny angovo madio ho an’ny rehetra, ary mamaly ny tanjona ara-tontolo iainana any Afrika. Ny firenena dia tsy maintsy miova mankany amin’ny angovo fandrehitra madio, maharitra ary azon’ny rehetra idirana. Hatreto anefa, tena azo lazaina ho mbola lafo ireo loharanon’angovo samihafa, toy ny herinaratra, ny gaz,… Ny herinaratra eto Madagasikara tsy vitan’ny efa kely ny mpisitraka fa mbola tsizarizary. Ny tetikasa sy fikarohana momba ny fitadiavana loharanon’angovo fandrehitra hialana amin’ny famotehana tontolo iainana ateraky ny fandripahana ala ekena fa efa misy, saingy mbola tsy tena mivelatra tsara na tsy ampy fanohanana. Ny tetikasa momba ny etanola izay ny vadin’ny filoham-pirenena mihitsy no niditra an-tsehatra ohatra dia nangina kanefa nisy famatsiam-bola azo ? Zary lasa fomba fanaon’ny mpitondra ny mitady sy mitaky famatsiam-bola amin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana kanefa mitombo hatrany ny fahapotahana. Re foana ohatra ny fampahatsiavin’ireo mpitondra Malagasy rehefa miatrika fivoriana lehibe iraisam-pirenena raha tsy hilaza afatsy ilay 100 miliara dolara avy amin’ireo Firenena lehibe mpanimba tontolo iainana, izay toa efa navalon’ny fotoana, saingy ezahana tangirihana hatrany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT