Actualités

Angovo eto Madagasikara “Sakana ho an’ny mpampiasa vola hatramin’izay”


  • Alarobia 26 Oktobra 2022

Amin’ny maha iraka na “chargée de mission” eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika no antony nahatonga ny tena ho isan’ny delegasionina nentin’ny filoham-pirenena malagasy ny tena tany Maraoka, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Soalihy Moussa.

Aza adino koa, hoy izy, fa firenena maro Miozolimanina izany Maraoka izany. Isan’ny Miozolimanina ao anaty fitondram-panjakana ny tena ka mba haha moramora ny fifandresen-dahatra tany dia nanao ilay hoe “business forum”. Niresaka tamina mpampiasa vola be dia be izay tena liana hampiasa vola eto Madagasikara. Isan’ny andraikitro ny fandresen-dahatra ireo mpampiasa vola arabo tany. Misy efa resy lahatra sahady satria dia misy efa ho avy eto amin’ny zoma hanatrika ilay PEM eny Ivato. Iaraha-mahalala ny krizy eto amin’izao tontolo izao. Mikorontana I Eoropa. Miazakazaka aty Madagasikara daholo satria aty ny zavatra rehetra ary naharesy lahatra an-drizareo ny fepetra napetraka satria tany daholo ireo tekinisianintsika nanazava. Isan’ny olana nazavain’ireo ny hoe sakana ho an’ireo mpampiasa vola hatramin’izay ny resaka angovo. Ain’ny indostria io ka mila omena toky zareo. Miezaka manamafy io resaka herinaratra io ny fanjakana. 16% ihany no mbola mampiasa herinaratra eto Madagasikara. Mila ampitomboina izay, indrindra hoe manana angovo marobe isika. Ny olona izao efa miroso amin’ny angovo azo avaozina avokoa. Manana betsaka an’izany isika ka andao atodika any ny fitrandrahana ny angovontsika satria mbola kianjan’ny hoavy mihitsy ity Madagasikara ity. Mampiasa vola eto ny mpamatsy dia hampiakatra fahefa-mividy avy eo. Efa ela isika no tokony hanangana masoivoho any Maraoka fa tany moa vao nahita ny zava-misy ny filoham-pirenena amin’ireo mpianatra malagasy mitaraina be dia be any. Voatery tsy maintsy mankaty Madagasikara vao mahavita taratasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT