Voafidin’ny gazety boky Forbes ho vehivavy voalohany manam-pahefana indrindra eto an-tany ny chancelière allemande Angela Merkel, manaraka azy ny sekreteram-panjakana amerikanina Hillary Clinton, avy eo ny filoha brezilianina Dilma Rousseff.
Ny alarobia lasa teo no namoahan’ny Forbes io valin’ny fanadihadiana natao mikasika izay vehivavy 100 voalohany manam-pahefana, mpanao politika, mpandraharaha na koa miasa amina haino aman-jery sy gazety maneran-tany. In-4 amin’izao, tato anatin’ny 5 taona no nandrombahan’i Angela Merkel ny laharana voalohany amin’ireo vehivavy mpandraharaha. Tamin’ny taon-dasa dia nosonganany Rtoa Michèle Obama. Araka ny vaovao dia mikirakira vola hatrany amin’ny telo alina miliara dolara ireto vehivavy 100 manam-pahefana indrindra eran-tany ireto.
Eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 85 taona izy ireo ka 54 taona ny ankamaroany, i Lady Gaga, 25 taona, no zandriny indrindra ary nahazo ny laharana faha-11. Faha-7 no nahitana an’i Sonia Gandhi, filohan’antoko politika eo anivon’ny Kongresy indiana, faha-9 kosa i Christine Lagarde, teratany frantsay sady Tale jeneralin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Any amin’ny faha-26 no misy an’ilay mpitarika ny mpanohitra any Birmanie, Aung San Suu Kyi. Anisan’ireo tafiditra amin’ireo 100 voalohany koa ny mpanjakavavy Rania. Ny hareny, ny isan’ireo mpihaino sy mpijery azy ireo no anisan’ny harin’ireto vehivavy 100 manam-pahefana indrindra eto an-tany ireto. Tsy manambady ny 22 amin’izy ireo, 29 hafa kosa filoha sady tale jeneraly ary 8 filoham-panjakana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.