Actualités

“Andry sy Mialy” Karazana baobab vaovao


  • Alatsinainy 23 Aprily 2012

Voly reniala na «baobab» ! Io no nanamarika ny andro faharoa nijanonan’i Andry Rajoelina, sy ny ankohonany, tao Morondava renivohitry ny Faritra Menabe ny faran’ny herinandro iny, sady niala sasatra.

 Andro alahady, misandratr’andro no nanaovana ny fambolen-kazo, ka reniala 210 fototra no novolena teny amin’ny «Allée des Baobabs», izay faritra mampalaza an’i Morondava noho izy misarika mpizahatany. Mitohy, araka izany, ny fampisehoana ataon’i Andry Rajoelina satria taorian’ny fambolena «bois de rose» teny Andranovelona (Analamanga) dia izao namboly “baobab” tao Morondava (Menabe) amin’ny andro alahady izao indray. Ny fitsangantsanganana vita ny fambolen-kazo tontosa. Fa nampiavaka ity tao Morondava ity ny namboleny “baobab amoureux”, na ireny karazana reniala mifamatotra toy ny mpifankatia mifampisakambina ireny. Nomeny anarana “Andry sy Mialy” mihitsy ity novoleny ity. Kisendrasendra sa misy antony manokana no nanomezana anarana ilay “baobab amoureux”, indrindra manoloana ny ankitonona anarana tamin’ny onjam-peo teto an-drenivohitra tamin’ny herinandro lasa iny. Te hametraka tantara, moa no fanazavana nentin’i Andry Rajoelina mikasika izao hetsika izao. Tsara homarihina anefa fa afaka 500 taona any vao lehibe ireny karazana “baobab amoureux” ireny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT