Actualités

Andry Rajoelina Tsy te hitokana ny dian-tanan’i Hajo Andrianainarivelo


  • Zoma 26 Jolay 2013

Nahazo fiangonana vaovao ny toby miaramila ao Antsirabe. Ny taona 2012 no nanomboka ny fanorenana ka ny Aumonier Nasionaly roa avy amin’ny Katolika sy ny Protestanta ary ny Minisitry ny Foloalindahy no nitokana izany ny alakamisy 25 jolay.

Raha tsiahivina dia nisy ny fangatahan’ireo kristianina tao amin’ny “Chapelle Militaire” ny hanorenana fiangonana noho ny fahatsapana fa efa tsy antonona intsony ilay teo aloha. Natao ny ezaka samihafa teo amin’ireo mpino katolika sy Protestanta ka natomboka ny asa. Tsy ampy anefa ny nenti-manana ka dia nitady fanampiana tamin’ireo tsara sitrapo samihafa niampy ny fanohanan’ireo manamboninahitra izay nivoaka tao amin’ireo toeram-panofanana tao Antsirabe, ankoatra ny fanohanan’ny fitondram-panjakana. Nitentina 130 tapitrisa Ariary ny vola nentina namaranana ny asa. Raha ny fandaharam-potoana dia voalaza fa ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina no hitokana azy saingy tsy tazana tao ity farany na dia efa voasoratra teo amin’ny takela-bato aza ny anarany. Asa na noho ny fisian’ny dian-tanan’ny Praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany tamin’ny asa na ny hetsika izay mety ho tsy azo hanaovana resaka politika ka dia naleony aloha tsy nipoitra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT