Nisintaka ny renivohitra, niazo ny nosy kely Ankao any amin’ny ranomasina indianina avaratr’i Vohémar
ny filoha Andry Rajoelina sy ny ankohonany ny faran’ny herinandro teo. Ny atoandron’ny zoma 9 aprily no nigadona teo amin’ny seranam-piaramanidina Arrachart ao Antsiranana ny “Jet privé” an’ny kaompania tsy miankina Malagasy iray nitondra azy ireo. Tsy nahitana solontenam-panjakana na ireo lohandohany mpitarika ny antoko eo amin’ny fitondrana ao Antsiranana tonga nitsena azy teo ampahatongavana, midika fa dia manokana no nahatongavan’ny filoha. Tsy niandry ela rahateo fa niondrana avy hatrany tamin’ny helikoptera niazo ny nosy Ankao izy ireo io zoma io. In-droa niverina ilay helikoptera nitatitra azy ireo, helikoptera an’ny hotely malaza iray ao amin’ity nosy kely ity. Tao anatin’izao fisintahany ny renivohitra izao ny filoha no nampahafantatra fa nanolotra “Tohan’aina” ho an’ireo marary izy mivady iatrehana izao valan’aretina izao ary nankahery sy nirary fahasitranana haingana ho an’ireo marary. Hisitraka izany fanomezana izany ireo marary rehetra na eny anivon'ny hopitaly na ny CTC eto an-drenivohitra na any amin'ny faritra. Toerana kilasian’ny maro hoy toy ny paradisa kely ny nosy Ankao, noho ny hakanton’ny torapasika, fahanginana, fanaovana “plongée” mijery ny zavaboary an-dranomasina ao aminy. Mahasarika mpizahatany vahiny sy olomalaza ny nosy Ankao. Sokajy kintana efatra ny hotely ao amin’ity toerana ity, izay teratany vahiny no mitantana azy. Saika olona manan-katao no mivahiny ao. Raha ny tamin’ny taona 2018 fotsiny izao dia manodidina ny 11 tapitrisa Ariary (2500 euros) isan’olona isan’andro eo farafahakeliny ny saram-piantranoana tao amin’ilay hotely. Tonga niala sasatra tao ilay mpilalao sarimihetsika malaza Tom Cruise sy ny ankohonany ny faran’ny taona 2020. Tany an-toerana ihany koa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’io fotoana io ary nihaona manokana izy ireo nandritra ny fijanonany tao. Omaly tolakandro moa no niala tao Ankao ny filoha mianakavy, namonjy ny renivohitra hiatrika indray ny asa aman-draharaha amin’ny fitantanana ny firenena.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.