Actualités

Andry Rajoelina Mitombo ny taonany fa mihena kosa ny fitiavan’ny olona azy


  • Alarobia 30 Mey 2012

Feno 38 taona amin’ity anio ity ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, izay raha tsiahivina kely dia teraka ny 30 mey 1974.

 Mpanentana lanona (DJ) no tena nahafantarana azy teto Antananarivo tamin’ny fahatanorany ka i Andry TGV no anaran-tsehatra nosafidiany. Nampisongadina azy ny nikarakarany hetsika Live izay miseho isan-taona. Tsy nijanona tamin’ny fampandihizana sy fisehoan’ireo mpanakanto malagasy fotsiny ny asa nataony fa nitatra tamin’ny lamaody sy fanafarana mpanakanto vahiny maro, tahaka an-dry Twenty Fingers, Whigfield, Stevie H. Mbola i Andry Rajoelina ihany koa no nahatonga ny Boney M teto Madagasikara. Rehefa nanapa-kevitra ny hampiato ny resaka fety sy lanonana i Andry Rajoelina tamin’ny 1999 dia niroso lalindalina kokoa tamin’ny tontolon’ny fandraharahana ka dia nanangana ny Injet izy, orinasa misahana manokana ny resaka dokambarotra, ny rafozany rahateo moa efa niasa tamin’io sehatra io ihany tamin’ny alalan’ny Doma Pub. Niroborobo ny Injet satria azo atao hoe matihanina amin’ny fomba fiasa, nampiasa fitaovana raitra.

Somary nanana olana tamin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra anefa ity orinasa ity fony ben’ny tanàna i Patrick Ramiaramanana, tamin’ny 2003 sy 2004. Ny taona 2006 dia nividy ny haino aman-jery Ravinala tamin’ny fianakaviana Ratsirahonana Atoa Andry Rajoelina, io no nivadika Viva Tv sy Viva Radio ka nanomanany ny filatsahan-kofidiany. Herintaona taorian’izay dia voafidy ho ben’ny tanàna i Andry TGV ary tena nazava ny fandreseny, tsy azo iadian-kevitra. Roa taona ihany izy no ben’ny tanàna dia iny niaraha-nahita iny fa nitarika ireo mpomba azy hidina an-dalambe, nampanantena fa hitondra fanovana, hiasa haingana kokoa noho ireo nitondra rehetra hatramin’izay, satria hono mandeha mafy izany TGV izany.

Lavo ny andrarezina, ary dia lasa filoham-panjakana i Andry Rajoelina. 3 taona sy 2 volana ary 13 andro amin’ity alarobia ity no naha filohan’ny tetezamita azy. Ny taona mitombo fa ny fitiavan’ny olona azy kosa dia nihena. Maro no mahita fa tsy mbola matotra amin’ny fanapahan-keviny i Andry Rajoelina ary tena be loatra ireo mpanolotsaina azy. Mety mavesatra ihany koa ny tsindry bokotra avy etsy sy eroa mihatra aminy, na dia milaza fa malalaka tanteraka amin’ny fanapahan-keviny aza izy. Hatramin’izao dia tsy vitany ny namaha ny krizy sy nanaporofo tamin’ny Malagasy fa mahavita manova amin’ny tsaratsara kokoa marina izy; mandroso mihemotra amin’ny fanapahan-keviny i Andry Rajoelina, hamoramorainy daholo ny zava-drehetra. Maro ankehitriny no manombantombana fa tsy maintsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha mpanorina ny Injet satria mba efa nahita tsirony tamin’ny fahefana no sady mba mety efa manana traikefa kely ihany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT