Ny tombontsoan’ny firenena no mibaiko ahy. Ny fitiavan-tanindrazana no ambony indrindra, hoy ny lahatenin’ny tetezamita Andry Rajoelina omaly alina. Manaja sy manaiky ny fanapahan-kevitry ny CES ny tenany ka noho izany manaiky ny nanilihana azy tsy ho kandida ary mijanona ho filohan’ny tetezamita.
Nanainga ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpiara-miasa rehetra hanampy an’i Madagasikara ihany koa ny tenany. Ny mahasoa ny Malagasy no jerentsika. Tsy tiako ho tratry ny vela-pandriky ny ady an-trano i Madagasikara, hoy i Andry Rajoelina. Ny mpitondra dia mandalo fa ny atao dia mijanona sy mitoetra ho tantara. Amiko dia ny fandeferana no lova tsara indrindra apetraka ho an’ny taranaka faramandimby, hoy hatrany izy. Nambarany fa mila olona tena manam-panahy hitantana azy i Madagasikara… vonona hanao famindram-pahefana ara-pomba demokratika aorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny tenako, hoy izy.
Sinema fotsiny
Efa nampoizina ihany fa hivadi-dela tahaka ny mahazatra indray ny filohan’ny tetezamita, ka na nidradradradra ho ren-tany ho ren-danitra nanerana an’i Madagasikara aza fa tsy ny avy any ivelany mihitsy no tokony hibaiko antsika ny amin’izay kandida hisafidianan’ny vahoaka, ary manana ny fiandrianam-pireneny tsy azo kitikitihana i Madagasikara, dia io fa nanaiky mora foana, tsy nanohitra na kely aza ny fanilihana azy tsy ho kandida izy. Tsaroana tsara fa mbola niseho nidrinkina sy tsy nanaiky ilay didy fiton’ny SADC manainga azy hisintona ny filatsahan-kofidiany i Andry Rajoelina raha niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Anosy taorian’ny fianianan’ireo mpikambana CES vaovao, tapa-boalana lasa izay. Izao anefa dia nanaiky ihany ny fanilihana azy izy. Karazana sinema fotsiny ihany izany ny don-databatra nataon’ireo Parlemantera TGV ny amin’ny fanilihana an’i Andry Rajoelina.
Mba resaka manidina fotsiny ihany ny an’ny minisitry ny serasera izay tena akaikin’ny filohan’ny tetezamita, nilaza fa tena hampisavorovoro iny fanapahan-kevitry ny CES iny. Vao mainka voaporofo ihany koa izao fa nitsofoka tao anatin’ireo kandida maro be mba hahafahana manilika an’i Lalao Ravalomanana ny filohan’ny tetezamita sy ny amiraly Ratsiraka. Izay no tsy dia naharototra firy azy ireo tamin’ny fanilihan’ny CES azy. Sinema no tena betsaka eto, efa samy mahafantatra ny anjara lalaoviny avokoa ny mpandray anjara rehetra, ary efa manana ny tombony ho azy manokana ihany koa. Rtoa Lalao Ravalomanana irery no tsy tafiditra tao anatin’ny mpilalao, dia io noresena ambony latabatra io. Toraka voninkazo no azon’i Andry Rajoelina avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Fantatra fa miala sasatra kely atsy amin’ny Nosy Maorisy izy sy ny fianakaviany. Foana izany ny sazy fa dia mahazo mivezivezy malalaka any amin’izay firenena tiany amin’izay i Andry Rajoelina mianakavy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.