Andry Rajoelina

> Hialokaloka any Soisa ?


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013

Nandritra izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao, nisy siosion-dresaka nivoaka fa manomana ny fialokalofany any Eoropa, hono, ny filohan’ny tetezamita sy ny fianakaviany. Efa nivoaka mihitsy aza ny anaran’ilay firenena fa dia hoe mety any Soisa no hanorim-ponenena indray Atoa Andry Rajoelina raha toa ka tsy voafidy ho filoham-pirenena ny kandida notohanany.

Izay aloha ny resaka mandeha, fa tsy fantatra izay tena hitranga. Tsy vao izao fa efa hatry ny ela no nahoraka fa efa niomana ny hitsoaka an’i Madagasikara ny filohan’ny tetezamita ka ankoatra an’i Soisa dia voatonontonona ny mety handehanany atsy amin’ny nosy Maorisy sy Dubai. Ny somary nanitikitika ny saina tamin’ity resaka ity dia ny fanendrena tampotampoka an-dRamatoa Annick Rajaona, mpiara-miasa tena akaiky ny filohan’ny tetezamita ho masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana any Genève sady masoivoho Malagasy any Soisa. Fifandrifian-javatra fotsiny ihany ve izany sa efa tafiditra tao anatin’ny kajikajin’i Andry Rajoelina ka nalefany nialoha lalana azy aloha ny olona itokisany mba hanomana ny mety ho fandehanany hialokaloka any amin’io firenena io ? I Soisa izay efa iarahan’ny rehetra mahalala fa paradisan’ny fitahirizana vola be no sady mora hetra, ka na ireo mpanambola Frantsay aza dia maro no nifindra monina any satria lafo dia lafo ny fandoavan-ketra any Frantsa. Ny somary manaitra amin’ity resaka ity ihany koa dia ny hoe : f’angaha moa efa fantatra dieny izao sahady fa ho resy ny kandida tohanan’i Andry Rajoelina ary mety hisy korontana eto ka dia homanina sahady ny fitsoahana ? Dia tsy ho tanteraka mihitsy ve izany ny fifandimbiasam-pahefana am-pilaminana eto Madagasikara fa dia tsy maintsy mitsoaka foana ny mpitondra miala eo amin’ny fitondrana, dia mialokaloka any ivelany any mandritra ny taona maro ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT