Andry Andrianjavony

> Tsara tohan’ny IRAY AINA


  • Talata 24 Septambra 2013

Anisan’ireo kandidŕ nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny Ovec n’ny Boriborintany faharoa teny Andohanimandroseza omaly alatsinainy ny MCT teo aloha Andry Andrianjavony.

Niavaka ny fahatongavany teny an-toerana tamin’ny alalan’ny filaharambe niarahany tamin’ny fikambanana IRAY AINA tarihany izay tena niray fo taminy  tokoa.  Tsy zava-baovao izao ataonay izao fa efa fiarahana naharitra tamin’ny mponina tety amin’ny boriborintany faharoa tamin’ny alalan’ireo asa rehetra niaraha-nanao tamin’izy ireo. Tsy politika avo lenta no iainana, hoy izy, fa politikan’ny firaisankina sy fifanakalozana eny anivon’ny fiarahamonina. Ny hafatra dia ny hoe aza manaiky ho rebirebena fa efa fantatry ihany ny mpiaraka aminao vahoaka hatramin’izay. Ny olana amin’ny resaka fandriampahalemana ety  amin’ny Boriborintany faharoa, hoy izy, dia ny zaza tsy ampy taona manao sinto-mahery kely etsy sy eroa sy ny resaka fidorohana zava-mahadomelina ka antony nikarakaranay tsy tapaka fifaninanana ara-panatanjahantena tsy itaran’izany io. Ny hampanjary lalàna ny fanafoanana izany zava-dratsy izany sy ny fampandrosoana ny Boriborintany sy ny firenena manontolo anton’izao firotsahan-kofidiana izao. Hiray safidy hizara ny mamy sy mangidy no teny filamatra nofinidin’ity kandidà ity hoenti-miatrika izao fifidianana andraisany anjara izao.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT