Actualités

Androy sy Anosy Amin’ny manaraka indray e !


  • Alatsinainy 07 Martsa 2011


Roa taona teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina, taorian’ny fanonganam-panjakana ny 17 martsa 2009 nandraisana miaramila mpioko anjara. Na indray maraina aza tsy mbola nandingana ny Faritra Androy sy Anosy iny izy. Raha misy ampahana Malagasy mijaly sy fadiranovana dia amin’ireo faritra ireo, izay malaza ratsy amin’ny “kere”. Saro-tadiavina ny sakafo, makina ny loharano. Raha mba tonga indray anefa ny orana dia zava-doza no naterany. Nitondra faisana noho ny andro ratsy sy ny fandalovan’ilay rivodoza Bingiza ireo faritra roa ireo sy ny mponina ao aminy. Maro ny traboina naterak’izany. Nanaovana antsoantso tamin’ireo haino aman-jery tao Tolagnaro ny alakamisy lasa iny fa ho avy any hitondra fanampiana sady hamangy no hampahery ny vahoaka an’Androy sy Anosy, ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Nirina Rajoelina.

Nentanina ny vahoaka mba ho avy hitsena azy, ary nisy fiara maromaro mihitsy aza efa nomanina hitondra ny olona hihazo an’Ambovombe sy izay toerana rehetra halehan’ny filohan’ny FAT mandritra io dia io. Nialoha izay dia nampanantenaina fa ho avy hialoha lalana azy ny ministry ny fampianarana. Inona anefa no teo fa dia nijanona ho fampanantenana toy ny nahafantarana izao fitondrana izao sy ny mpitondra ao aminy izany. Kepoka ireo mpanohana azy izay efa ela niandrasana izany mpitondra ny FAT mba hanitsaka ny Faritra Anosy sy Androy izany. Amin’ny manaraka indray, raha hisy !

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT