Vehivavy iray tombanana eo amin’ny 20 taona mahery eo indray no nisy namono tao Androva Mahajanga. Natao tao anaty gony ny vatana mangatsiakan’ity tovovavy ity izay nifatopatotra ary nariana tany anaty toeram-panariam-pako
avy eo. Olona sendra nandalo no nahare fofona hafahafa sy nahita ilay gony ho hafahafa ihany koa koa nampandre ny mpitandro ny filaminana sy ny sefom-pokontany avy hatrany. Mbola tsy fantatra mazava moa izay antony namonoana ity vehivavy iray ity sy ireo olona namono azy. Ny hany feo mandeha dia karazan’ireny mety ho naolana ireny ihany koa ilay tovovavy vao novonoina. Efa misokatra ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana. Marihina moa fa lasa faritra mena ihany koa ny ao an-tampon-tananan’i Mahajanga tato ho ato. Ankoatra ny vono olona tahaka izao dia mahazo vahana ny asa fanendahana….
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay vehivavy avy novonoina dia nafatratra tao anaty gony !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.