Actualités

Andron’ny manamboninahitra Nanamafy ny firaisan-tsaina ny zandary


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Horakoraka, poa-basy lavareny, baiko hentitra no nentin'ireo Manamboninahitra

 

 

 

zandriny namoha vao tsy mangiran-dratsy akory ireo Manamboninahitra zokiny eraky ny toby sy ny lakazera rehetra manerana ny nosy. Fombam-pitaizàna sy soatoavina ara-miaramila (tradition) nipoitra sy niainana avy ao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe izany nanomboka ny niorenany ny 12 janoary 1967 nentin'ireo mpianatra manamboninahitra hanehoana ny hetahetan'izy ireo hanatsaràna ny tontolom-piainany sy ny fanabeazana ary ny fitaizàna. Taty aoriana dia napetraka ho "Andron'ny Manamboninahitra" miaramila malagasy rehetra ny andron’ny faha 12 janoary, ka nankalaza izany avokoa ny eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika Malagasy omaly. Ho an’ny teny amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava Richard tetsy Andrefan'Ambohijanahary, dia natrehan'ny Jeneraly Andriamahefa izay nivoaka tamin'ny andiany voalohany tao amin'ny Akademia miaramila sady "Major de promotion" sy ny Jeneraly Ravalomanana Richard Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG) ary ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, Komandin'ny zandarimariam-pirenena (COMGN) miaraka amin'ireo Manamboninahitra rehetra tsy ankanavaka. Ny Manamboninahitra zandriny indrindra no nitarika ny fibaikoana omaly, ka nandahatra ny tontolo andro.Natomboka tamin’ny fananganan-tsaina sy ny firedonana ny hira fanevan'ny Akademia miaramila dia ny "Feon'Anjomara" ary ny fanolorana solom-bodiakoho ho an'ireo Manamboninahitra zokiny indrindra. Ny jeneraly SEG kosa, nifanotrona tamin'ireo Manamboninahitra rehetra, ary nanolotra lelavola 40.000.000Ar ho an'ireo zandry. Nohamafisiny fa tokony ho hita taratra eny anivon'ny fiaraha-monina sy mpiray tanindrazana ny maha-maodely ny Manamboninahitra zandary. Narahana hazakazaka itambarana (cross de masse) nanodidina ny farihin'Anosy moa izany ary nofaranana tamin'ny fanatanjahan-tena iraisana, toy ny basket-ball, volley-ball, tennis de table ary pétanque ny tapany maraina, arahin’ny fiaraha-misakafo am-pirahalahiana teny amin'ny Cercle mess etsy Fort-Duschesne ny mitatao vovona niarahana tamin'ireo Andriambavilanitra andefimandry, ao anatin'ny fanajàna ny fepetra ara-pahasalamana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT