Actualités

Androndrakely Tratra ireo telolahy mpanototra tany an-tsokosoko


  • Zoma 03 Jona 2016

Misoko mangina hatrany ny fanotorana tany eny Androndrakely, manakaiky ireo tanànan’ny vahiny mpanam-bola eny an-toerana amin’izao fotoana.

 

 Sarety miisa fito indray mantsy no tratra nanototra tany teny an-toerana ny alarobia hariva nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany, nisy tany 50 lasaka avy. Ny telo  tamin’ireo mpitondra sarety ireo no sarona omaly maraina nandritra ny fotoana  nahatongavan’ny tompon’andraikitra teny an-toerana ka nampivezivezy fatratra azy  ireo. Na izany aza  efa navotsotra izy ireo taorian’ny fanadihadiana natao taminy raha nalefa fourriere kosa ny sarety. Fantatra ary fa teratany vahiny no tompon’ny tany. Olon-tsotra kosa no manakarama azy ireo mba hanao ny asa. Ana lehilahy iray   tompon-tsarety efa mpanototra  tany eny an-toerana ny fitaovam-pitaterana. Fepetra noraisin’ny delegen’ny boriborintany faharoa Razafindraibe Jacques  ny manara-maso ny asa hataon’ireo mpanototra tany sy manetsika ny hery velona rehetra eny an-toerana raha hiarahany amin’ny kaominina kosa ny  fametrahana hadivory hahafahana manakana ny lalan’ireo mpanototra tany mba  tsy hisy intsony. Raha mitohy mantsy izao fikirizana ataon’ireo mpanototra tany izao dia nanambara ity delege ity fa ho tototry ny rano avokoa ireo tanàna eny amin’ny manodidina mandritra ny fotoam-pahavaratra. Tsy hanaiky lembenana intsony ny Boriborintany faharoa fa tsy maintsy handray ny andraikiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT