Niavaka ny fankalazana ny andron’ny mpifankatia nokarakarain’ny STK Fjkm Filadelfia Antsirabe ny andron’ny zoma 14 febroary lasa teo. Famelabelaran-kevitra narahina loabary an-dasy moa no nontontosain’izy ireo tao am-piangonana ka nanasany ireo mpifankatia toy ny mpifamofo sy ny mpivady izany.
Nambaran’Atoa Andriambololona Solomampionina, filohan’ny STK fa efa fanaon’izy ireo ity hetsika ity izay niditra tamin’ny andiany faha-6 tamin’ity taona ity ka ho famerenana sy fanavaozan’ny mpivady ny fifankatiavany no tanjona amin’izany. Tato ho ato mantsy, hoy izy, noho ny olana maro samihafa dia betsaka ny tokantrano rava sy mikorontana, eo ihany koa ny rivotry ny fandrosoana izay miteraka zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra toy ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana ka ny tenin’Andriamanitra no manambara ny famonjena amin’izany. Nizara telo ny fotoana izay niompana tamina lohahevitra telo ihany koa dia ny Fotoam-panorenana ny fanambadiana araka ny soratra masina izay nalaina tao amin’ny Genesisy 2: 18-24, ny Anjara toeran’ny Lahy sy ny Vavy eo amin’ny fanambadiana araka ny Efesiana 5: 22-33 ary ny fomba hikoloana ny fifankatiavan’ny mpivady hananana faharetana araka ny 1Kor 7: 1-16. Azo lazaina fa nahasarika ireo krisitianina moa ity hetsika ity satria dia feno hipoka ny fiangonana tamin’io fotoana io. Nisy moa ny fijoroana vavolombelona sy fanavaozana ny fifankatiavana nataon’ny mpivady dia i Rinah sy Fahombiazana izany, izay nahatratra ny faha-10 taonan’ny mariaziny tamin’io andro io ka dia naverina mihitsy ny endrik’izany mariazy izany teo am-piangonana.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.