Actualités

Andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ”Aza disoina ny tantara”, hoy i Evariste Ramanantsoavina


  • Alakamisy 03 Mey 2012

Mbola averiko, hoy ny namana Evariste Ramanantsoavina mpanao gazety, ny teny nolazaiko tamin’ny herintaona tahaka izao ny amin’ny tsy tokony handisoan’ny mpanao gazety namana am-perinasa sy ireo mpianatra ao amin’ny sehatry ny fifandraisana sy ny asa fanaovan-gazety ankehitriny ny tantara

Rehefa nanambara izany ny tenako, hoy izy, tamin’ny taon-dasa raha avy nijery ny fampirantiana tao amin’ny St Michel Amparibe mikasika ity andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity fa hoe tsy mba hita tao anatin’ireo sary marobe naranty tao ny nahazo ny mpanao gazety Malagasy nogadraina am-ponja sy nofatorana rojovy tahaka ny tenako nefa ny tany ivelany naseho maro dia maro ny nahazo ireo namana tany, dia mbola naheno namana niteny tanaty onjam-peo aho tamin’ity taona ity fa tsy nisy mihitsy, hono, fisamborana sy fampidirana am-ponja nataon’ny fitondrana tetezamita tao anatin’izay telo taona izay. Ry namana, aza disoana ny tantara ! Sahia milaza ny marina, fa ny marina tsy mba maty.

Efa nahavita ny fanadihadiana taty an-toerana mikasika ny nahazo ny namana Evariste ny “Reporter sans frontiers” na dia somary nangingina aza no nanaovany izany. Ny any ivelany indray ve no mbola handrafitra ny tantara marintsika ? Anio, any Toliara, no hanatanterahana ny fankalazana nasionaly. Asa na mba ho sahy hilaza ny marina ny tomponandraikitr’izao fitondrana tetezamita izao na mbola hinia handiso ny tantara indray. Ho hitantsika eo ! Mba lazao fa hatramin’izay niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena izay dia tamin’ity fitondrana tetezamita ity no nisy mpanao gazety maro indrindra nampidirina am-ponja noho ny asa nataony ary dia nisy mihitsy ny nofatorana rojovy toy ireny jiolahy rain-dahiny ireny nefa afaka madiodio rehefa nandalo fitsarana. Izao indray aza ao anatin’ity andro malaza ity dia hidiana anaty lakazera hanaovana famotorana ny mpanao gazety fa hoe manely vaovao tsy marina. Ho ela velona anie ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety Malagasy !

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT