Andron’ny 8 martsa

> Hiavaka ny fankalazana any Andilamena


  • Talata 25 Febroary 2014

Anisan’ireo andriambavilanitra vadina solombavambahoaka niaraka tamin’ny andefimandriny niatrika ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ny ankolafy Ravalomanana teny Tanjombato Rtoa Helène vadin’ny depiote Rabenirina Jean Réné dit Game voafidy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tany Andilamena.

 

Ho azy dia tafiditra indrindra ao anatin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fanatanterahana ny tolona nimatimatesana efa hatramin’ny taona 2009 izao fihetsika nataony izao. Somary miova kely ny fifaneraserana amin’ny olona, hoy izy, rehefa lasa vadina olom-boafidy izany ka izao sahady dia efa miandry ny tena ny namana andriambavilanitra any Andilamena amin’ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy amin’ny 8 martsa 2014. Tsy vao sambany hiatrika izany akory ny tenako, hoy izy, fa tena tao anatin’ny fikarakarana foana hatramin’izay fa izao kosa dia hanjary ho fihantahantan’ny namana satria tafiditra ho anisan’ireo filoham-boninahitra. Marihiko fa hiavaka amin’ity taona ity io fanamarihana hatao any Andilamena io fa tena hakotrokotroka tokoa. Hisy moa toy ny mahazatra ny lanonana samihafa, valandresaka miaraka amin’ny fanentanana isan-karazany, lalao ara-panatanjahantena handraisan’ny vehivavy anjara, karnavaly mamakivaky ny tanàna … Ho avy izahay fa tsy tokony hiahiahy ireo namana any Andilamena, hoy izy.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT