Andron’ny 08 martsa

> Hanomana foara ny tambanjotram-behivavy ao Toamasina


  • Alarobia 26 Febroary 2014

Efa tena ao anatin’ny fanomanana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ireo komity mpanomana izany tarihan’ny Talem-paritry ny mponina ao Toamasina.

Efa samy mihetsika mitady vola amin’ny fiatrehana izany koa ireo fikambanam-behivavy isam-pokontany sy ireo fikambanana samy hafa ivondronan’ireo vehivavy. Ho an’ny tambajotram-behivavy miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy, dia ny fanomanana foara ho an’ny vehivavy ho fampahafantarany ny asany sy ny zava-bitany ary ny asa tanana ataony samy hafa no haranty mandritra izany, izay atao eo amin’ny tany malalaka eo an-damosin’ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina. Ho hita mandritra ny roa andro ny hetsika ireo ny asa ataon’ny vehivavy andavanandro, fambolena, asa tanana, asa birao, fitantanana orinasa, traikefa, ary ny mombamomba ireo fikambanana samy hafa miady ho an’ny miralenta sy ny hasin’ny vehivavy sy ny zaza. Ankoatra izay, efa manomana amin’ny fandraisana anjara mavitrika mandritra ny andron’ny 08 martsa ao Toamasina koa, ireo vehivavy mpanao gazety mivondroana eo anivon’ny fikambanana ao Toamasina. Efa taona maro niady ho an’ny miralenta ireo viavy mpanao gazety ao Toamasina ireto, izay hiarahany miasa hatrany nandritra izay tamin’ny “Gender Links” izay tena manohana azy ireo ara-piofanana sy torohevitra ary traikefa.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT