Zavatra fanao fanomezana ho an’ny vehivavy rehefa andron’ny 08 martsa sady ankafiziny rahateo ny voninkazo.
Mba tsy hivezivezena etsy sy eroa hitady izay karazam-boninkazo atolotra an’i Neny, na vady na koa anabavy amin’io andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy io dia natambatra ny fikambanana Ceinture Verte etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha rehefa karazana voninkazo rehetra. Maro ireo azo isafidianana toy ny anthurium, ny orchidée na koa ny bonsai ary mbola misy hazo fihinam-boa ihany koa aza.
Ezahana havoitra amin’ny varotra fampirantiana mihitsy ny lohahevitra hoe : “Ny vehivavy sy ny tontolo maitso”. Tsy misy diso anjara, hoy Ramatoa Mariette, mpikarakara satria manomboka amin’ny 1.000 Ariary ka hatramin’ny 4 hetsy Ariary na mahery aza ny vidiny voninkazo. Ireo karazany sarotsarotra hita sady efa lehibe no tena lafo vidy. Nanomboka omaly ity hetsika ity ka mifarana amin’ny sabotsy 09 martsa. Noho ny asa aman-draharaha dia mety ny sabotsy vao manam-potoana ny olona ka izany no mbola hisian’ny varotra fampirantiana ny 09 martsa mba tsy hisy ho diso anjara araka ny fanazavana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.