Actualités

Andro tsy fiasana lava Niantraika tamin’ny famatsiana solika


  • Alarobia 15 Jona 2011

Main’ny afo natsangany ny FAT amin’ity fananganana andro tsy iasana isaky ny mihetsika ity.

Miharihary ny fiantraikany eo amin’ny famatsiana solika. Raha ny teto an-drenivohitra dia efa hatramin’ny alahadin’ny pentekosta teo dia nisy ampahany tamin’ireo toby mpaninjara solika no tsy nahitana izany intsony. Ny harivan’io dia raikitra ny filaharana teny amin’ireo toby sasany ary dia nitohy hatry ny omaly talata izany ka niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana noho ireo filaharamben’ny fiara hita teny amin’ireo toby mpaninjara solika. Nahitana io tranga io koa hatrany amin’ny faritra, toa an’i Fandriana (Amoron’i Mania), Manakara (Vatovavy Fitovinany)… izay nanome vahana tampoka ny varomaizina sy ny halatra solika amin’ireny orinasa mpanao lalana ireny. Mifamahofaho be ihany ny resaka mikasika ny anton’io. Ao ireo milaza fa misy ambadika politika, ao indray ireo miteny fa ny tahirin-tsolika mihitsy no tsy ampy intsony.

Ny loharanom-baovao hafa anefa no milaza fa sady tsy afaka mampihatra vidiny tena izy ny mpandraharahan’ny solika no mbola voan’ity andro tsy fiasana lava ity, ka sorena. Ho an’ny FAT moa dia ny nandrahona ireo mpaninjara no nataony, nilazany fa raha misy resaka politika tokoa ambadik’izao dia handraisany fepetra, hoy i Mamy Ratovomalala, minisitry ny harena ankibon’ny tany. Raha ny fanazavany dia mbola ampy hiantohana ny famatsiana mandritra ny roa volana ny tahirin-tsolika eto. Nampanantena moa izy fa hiverina amin’ny laoniny ny fitsinjarana solika manomboka anio. Ny fanontaniana moa dia ny hoe rehefa vita ve izany ny roa volana dia tsy hisy intsony ny solika, indrindra manoloana ity fifandroritana politika miseho lany eto ity ?

 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT