Actualités

Andro tsy fiasana amin`ny taona 2021 Mitontona alatsinainy ny ankamaroany


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Ho maro ireo herinandro lava ho amin` ny taona 2021. Maro ireo andro tsy

 

 fiasàna no hitontona ny alatsinainy. Hanombohana azy ny 8 martsa, andro iraisam-pirenena ho an` ny vehivavy, izay tsy fiasàna ho an` ny vehivavy. Ny fitsingerenan'ny tolom-panafahana nataon'ireo Malagasy tia tanindrazana, ny 29 martsa 1947, dia alatsinainy. Tsy adinoina ireo alatsinainy tsy fiasàna mahazatra toy ny fetin` ny paska sy ny pentekòsta. Ny andro natokana ho an`ny maty na ny 01 novambra dia mitontona alatsinainy ihany koa. Tsy fantatra kosa raha hanana anjara “pont” amin` ny taona ho avy satria ny Ascension sy ny fetin`ny Repoblika (14 oktobra) dia alakamisy avokoa. Izany hoe andro tsy fiasàna fa handraisana karama ny zoma mba ahafahana misitraka herinandro lava. Ny herinandro lava voalohany hanombohana ny taona 2021 dia amin`ny zoma izao, 01 janoary 2021. Izany dia ahafahan` ireo fianakaviana makamaka aina misimisy kokoa na koa misintaka kely ny renivohitra mba entina hanombohana ny taona. Ankoatra izay, ireo andro tsy fiasàna sasany dia mitontona anaty faran`ny herinandro ho an`ny taona manaraka. Ny fetin`ny asa (01 mey), ny fetin`ny fahaleovantena (26 jona) ary ny fetin`ny krisimasy (25 desambra) dia mitontona sabotsy. Ny Assomption (15 aogositra) dia ny alahady. Ho an`ireo fety Silamo kosa, Id Al-Fitr sy Id El Adha, dia andro tsy fiasàna saingy mbola tsy voafaritra ireo andro hankalazana azy.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT