Actualités

Andro ratsy Tombanana hiditra an-tanety ao Melaky anio


  • Zoma 05 Martsa 2021

Misy andro ratsy miforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Any amin’ny 300 Km Andrefan’i Besalampy

 

 

 no nisy ny ivony omaly tamin’ny 03 ora tolakandro teo, araka ny fanazavan’ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Mikisaka miatsinanana ny diany ka mahafaka 18 Km/ora. Mbola malefaka ny rivotra miaraka aminy izay tombanana ho 45 Km/ora. Raha ny vinavina dia hiditra an-tanety ao Melaky izy anio zoma amin’ny tanjaka Depression Tropicale (50 – 60 Km/ora). Ambany anefa ny herijika hivoarany ho rivodoza (Tempête Tropicale). Entanina sahady ny mponina amin’ny Distrikan’i Besalampy, Maintirano ary Antsalova mba hiomana ka hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana sao misy fiovana goavana ny fivoarany mandritra ny 30 ora ho avy, hoy ny mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Morondava sy Analalava dia entanina mba tsy hiandriaka satria hikorontana ny toetry, hoy ny toromarika.Mbola hijojo kosa ny orana ho an’Antananarivo sy ny faritra maro manerana ny nosy anio zoma.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT