Actualités

Andro ratsy « DARIAN » Hiteraka oram-be any amin’ny faritra atsimo


  • Talata 20 Desambra 2022

Misy andro ratsy miforona any amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, Darian no anarany.

Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby dia vinavinaina hikasika ny fari-dranomasina atsinanana io andro ratsy io amin’ny Alakamisy ho avy izao saingy tsy dia hisy fiantraikany loatra izany. Na izany aza anefa dia ahiana mafy hisian’ny rotsak’orana betsaka any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy manomboka anio Talata sy afaka rahampitso alarobia. Ho maina kosa anefa izany manomboka ny andron’nyZoma. Hatevina kosa indray ny oram-baratra manerana ny Nosy amin’ity andro anio ity ka tokony samy hiomana amin’ny fitafiana mifanaraka amin’izany ny rehetra. Mikasika ny fetin’ny sasak’alina sy ny Krismasy manokana moa dia fantatra fa oram-baratra tsotra no mety hisy indrindra fa ny alin’ny 24 desambra.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT