Andro maneran-tany ho an’ny tanora

> Tsy diso anjara isika Malagasy


  • Talata 13 Aogositra 2013

Ny 12 aogositra 2010 no fotoana voalohany nanokanana ny andro maneran-tany ho an’ny tanora rehetra eran’izao tontolo izao araka ny soso-kevitra naroson’ny sampan-draharaha misahana ny fanabeazana, ny siansa ary ny kolon-tsaina eo anivon’ny Firenena Mikambana.

Taorian’io no nanomboka nankalaza ity daty ity ireo firenena 181 mpikambana ao amin’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena. Fehezan-teny mafonja no nentin’ny Tale jeneralin’ny Unesco Irina Bokova nanamarihana ity taona fahaefatry ny 12 aogositra 2013 ity dia ny hoe : “Mba hamoahan’ny tanora ny tsara ao anatiny, dia ilaina ny fisokajiana azy ireo ho toy ny mpiara-miombon’antoka voalohany”. Ho antsika teto Madagasikara moa dia tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ihany koa raha tsy ilaza afa-tsy ny hetsika manetriketrika izay notanterahana teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatajahantena omaly tontolo andro. Teo ny filaharana notontosain’ireo tanora maro avy amin’ny fikambanana tsy miankina izay nanokafana ny lanonana. Hita teny an-toerana ihany koa ireo trano heva am-polony nampiranty sy nampiseho ny maha-zava-dehibe ny anjara toeran’ny tanora manoloana ny fifindra-monina sy ny sehatry ny fampandrosoana.

Nisandrahaka tamin’ny lafiny maro rahateo ireo fampiratiana natolotra ny mpitsidika toy ny fanabeazana, ny tontolon’ny asa, ny mosary sy ny fahantrana, ny fahasalamana, ny tontolo iainana, ny fidorohana tafahoatra ireo karazana zava-mahadomelina sy ny maro hafa. Nisy ihany ny lesoka kely tamin’iny fankalazana iny dia ny tsy nahatafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana voalahatra ny hafatra avy amin’ny Tale jeneralin’ny Unesco izay loharano nipoiran’ity fanamarihana ny andron’ny 12 aogositra ity izay ikambanantsika amin’ireo firenena hafa maneran-tany. Tanteraka ihany anefa ny iraka tamin’ny alalan’ny solotena maharitry ny Firenena Mikambana izay nanome voninahitra ny fotoana.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT