Tsy namela ny andro maneran-tany ho an’ny fanabeazana izay nankalazaina ny Alahady 07 Aogositra lasa teo ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar
. Nitsidika vovonana iray mampianatra ny tanora ny fikirakirana ny informatika teny amin’ny kaominina Ivato izy ireo, amin’ny alalan’ilay tetikasa coderbus notarihin’ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny orinasa Ratsimbason Andry. Nisy ny fizarana karazana fanomezana ho an’ireo tanora nandritra ny hetsika. Raha tsiahivina, tsy vao omaly no nanao hetsika tahaka izao ity orinasam-pifandraisana iray ity fa efa hatramin’ny taona 2015, taorian’ny sonia fifanekem-piaraha-miasa niarahany tamin’ny Coderdojo Madagascar. Ivontoerana iray manome fiofanana maimaimpoana ireo tanora fito ka hatramin’ny 17 taona izy io amin’ny alalan’ireo mpampiofana tsy mandray karama. Efa nanome ivontoerana miisa telo hahafahan’izy ireo mianatra ny Airtel Madagascar ka anisan’ny manana izany isika eto Antananarivo, ny any Fianarantsoa miaraka amin’ny fitaovana mifandraika amin’izany sy ny connexion internet, miampy finday misy fahana omena isam-bolana hahafahan’ny mpianatra miserasera. Hatreto dia tanora manodidina ny 500 isa no efa nahazo tombontsoa. Tsiahivina moa fa ny Codrebus dia tetikasa iray miasa mandritra ny vakansy lehibe tahaka izao entina hanampiana ny tanora. Ankoatra ny kaominina Ivato dia efa miandry azy Ambohimanarina, Antsahabe, Ambohijanahary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.