Actualités

Andro iraisam-pirenena momba ny ala Ny orinasa Fanalamanga no nanamarihana azy


  • Talata 22 Martsa 2022

Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny orinaasa Fanalamanga ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ny ala omaly 21 martsa.

Lanonana notarihan-dRtoa Vina Marie Orléa Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny ekipany, natrehan'ireo solombavambahoaka avy amin’ny distrikan’Ambatondrazaka José Alain Filohan'ny kaomisiona tontolo iainana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny solombavambahoakan’Amparafaravola Rabekijana Félix, « rapporteur » ao aimin’ny kaomision’ny tontolo iainana, ny solombavambahoakan’i Moramanga Lova Rajaobelina sy ireo olo-manakaja miaramila sy sivily nasaina, ary indrindra ny orinasa Fanalamanga notarihan' Atoa Tale jeneraliny Rabetsivahiny Arlem sy ny mpiara-miasa aminy. Nisy ny fametrahana araka ny fomba ofisialy galona hoan’ireo polisin'ala, izay notarihin’ny minisitra. Naneho fisaorana ny minisitra noho ny fahatongavany mitsidika ny orinasa Fanalamanga izao izay eo hambany fiahian’ity minisitera tarihany ity noho izany ny Tale Jeneralin’ny Fanalamanga. Nanome toky fa vonona ary hametraka soa hiombonana hanasoavana ny orinasa Fanalamanga izay reharehan’i Moramanga sy ny faritra Alaotra Mangoro sy ny firenena Malagasy io Tale Jeneraly io. Niarahaba ny mpitantana ny orinasa sy ny mpiara-miasa ary namelabelatra ny fomba hitondrany hampadrosoana ny ministera tantanany kosa Rtoa Minisitra. Nofaranana tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva na « stand» samihafa ny fotoana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT