Andro iraisam-pirenena ho an’ny Demokrasia

> Hanao diabe ny vehivavy ny 21 septambra


  • Alatsinainy 16 Septambra 2013

Toy ny isan-taona dia omaly alahady 15 septambra 2013 no fotoana natokan’ny Firenena Mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia, taorian’ny fivoriambe notanterahana tany amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana ny 8 novambra 2007.

Lohahevitra navoitra tamin’ity taona ity ny hoe : «Fampiakarana avoavo kokoa ny feon’ny demokrasia». Tanjona lehibe tiana ho tratrarina amin’ity fankalazana faha-6 ity ny fanomezan-danjan’ny hetahetan’ireo olona maneran-tany amin’ny alalan’ny fomba mivantana na koa amin’ny fisian’ireo olom-boafidy nolaniana izay miseho amin’ny endrika adihevitra politika na fifanakalozana ara-toekarena na koa hetsika ara-tsosialy. Izay fahafahan’ny tsirairay maneho hevitra sy maka fanapahan-kevitra amin’ny fomba fitantanana no tena fototry ny demokrasia. Raha ny eto Madagasikara manokana no resahina dia mbola marefo ny demokrasia ary tsy nisy ny tena hetsika nanamarihana izany. Fantatra kosa anefa fa hisy ny diabe ho an’ny fandriampahalemana sy ny demokrasia izay hotanterahana ny sabotsy 21 septambra 2013 ho avy izao. Hiainga eo amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha, hihodina eo amin’ny farihin’Anosy ary hifarana ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina ity hetsika karakarain’ny tambajotran’ireo fikambanan’ny vehivavy Malagasy ahitana mpikambana 1.500 miaraka amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana. Mbola olana ny sehatry ny fanabeazana eto amin’ny firenena ka izay indrindra no antony nahatonga ny hevi-dehibe naompana amin’ny hoe “Fanabeazana ho an’ny fandriampahalemana sy ny demokrasia”.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT