Actualités

Andrin-jiro eny Ampitatafika Mitohy ny halatra sy ny fanimbana


  • Alakamisy 21 Jolay 2016

Tena mampametra-panontaniana mihitsy hoe « ahoana no fomba nahafahan’ireo mpanao ratsy nitsofa ireo andrin-jiro maromaro mandeha amin’ny herin’ny masoandro mitsilo ny lalana avy eo Ampitatafika ho any Fenoarivo iny sy ny nahafahan’izy ireo naka ireo jiro rehetra sy

« panneaux solaires» nefa maromaro ihany ny birao misahana ny fandriampahalemana amin’iny toerana iny sady amoron-dalana no misy ireo andrin-jiro ireo ». Izany mantsy no zava-misy amin’izao fotoana izao eny amin’iny faritra iny ary ny tena mahavariana dia heno tamin’ireo fampahalalam-baovao efa fotoana elaela ihany izay fa efa nisy 5 ireo andrin-jiro nianjera ary dia nilaza ireo mpitandro filaminana fa handray fepetra tamin’izay fotoana izay. Ny alatsinainy teo indray anefa dia mbola heno koa fa niampy 3 indray ireo andrin-jiro lasibatry ny asa ratsy ireo. Nambara fa efa nisy ny fitsirihana sy andrimasom-pokonolona natao. Nandaitra ve ny fepetra noraisina amin’ny fanaraha-maso sy fiarovana ny fananana iombonana sa mila fanatsarana sy fanamafisana ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT