Tsy ho lanin’ny Gasy mihitsy ny harena misy ato amin’ity tany Madagasikara ity raha atao ara-drariny tsara ny fitrandrahana azy, hoy ny CST Andriatahiry Lalao avy amin’ny UDR-C.
Aminay KMD, hoy izy, dia ireo miseho ho tia tanindrazana nefa tena tsy tia tanindrazana fa tia tena ka mitsentsitra samy irery ny haren’ity firenena ity miaraka amin’ireo vahiny no mahatonga ny vahoaka hitofezaka lava fa tsy tonga any aminy ny fiantraikan’ny haren’ny taniny. Raha mba ferana ho 15% monja no alaina amin’ireo orinasa lehibe mitrandraka ny harena ankibon’ny tany any Toamasina sy Moramanga ary Tolagnaro ankehitriny fa tsy ho 1% monja dia ho hitantsika ny soa ho azon’ity firenena ity, hoy i Andriatahiry Lalao. Izaho dia teknisianina, hoy izy, ary anisan’ireo CST vaovao vao notendrena farany teo. Rehefa tena nodinihana dia nahatsapa izahay fa tsy tokony havela ho an’ny mpanao politika samy irery ny fitantanana ity firenena ity ka tapa-kevitra izahay ny handray andraikitra. Miantso ny mpanampahaizana rehetra koa aho hifoha amin’izay fa tonga izao ny fotoana handraisantsika andraikitra amin’ny fanarenana ity firenena ity fa efa tena latsaka ambany dia ambany ny fahefa-mividin’ny vahoaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.