Actualités

Andriasy Ramanantoanina Mitaky ny hamotsorana ny kandida Laza Razafiarison


  • Zoma 26 Jolay 2013

Naneho ny alahelony amin’ny fisamborana nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fomba feno habibiana sy tsy misy fanajana ny zo maha olona ny Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena, Laza Razafiarison sady kandida filoham-pirenena ny ankamaroan’ny vahoaka ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania izay efa leo izao fitondrana tetezamita izao.

Anisan’ireny Atoa Andriasy Ramanantoanina izay nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra omaly alakamisy 25 jolay fotoana mbola nitazonana vonjimaika ity kandida voasambotra ity. Olo-manankaja sy tsy nahavita heloka teto amin’ny firenena ary lehilahy vonona hanavotra ny firenena izay efa difotry ny krizy no sahin’izao fitondrana izao samborina sy hampidirina am-ponja vokatry ny fitakiana nataony, hoy Atoa Andriasy Ramanantoanina ka mitaky ny tenany ny hamotsoran’ny fitsarana mahefa azy madiodio amin’izao raharaha izao. Maro mpahafantatra any Amoron’i Mania ity kandida filoham-pirenena ity satria sahy mijoro amin’ny fahamarinana no mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka. Miantso ny mpitandro ny filaminana mba tsy hanao fihetsika toy ireny ihany koa i Andriasy Ramanantoanina satria ny asan-dahalo sy Remenabila ve rehefa tsy voafehy dia olona maneho hevitra hampisy fandrosoana ny vahoaka Malagasy indray no ampijaliana sy ampahoriana toy ireny ? Anjaran’ny tsirairay no misaintsaina izay.

 

 

 

Rado

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT