Actualités

Andriantsilavo Ravoniarijaona “Nisy nandrahona hisambotra aho”


  • Zoma 02 Jolay 2021

Nanambara tamin’ny haino aman-jery tonga tetsy amin’ny Paositra Malagasy etsy Antaninarenina omaly ny mpitarika ny hetsika sendikalin’izy ireo, Andriantsilavo Ravoniarijaona,

 

 fa nisy nandrahona an-telefaonina ny alin’ny 30 jona teo, tamin’ny 10 ora sasany, fa ho samborina raha mbola manohy ny tolon’izy ireo. Lehilahy ilay feo, tsy nanafina laharam-pinday ary niteny hoe “Raha toa ka mbola mitohy io tolona io rahampitso dia samborim-potsiny eto ianao rahampitso maraina.” Ataoko toy ny fandemena na “intimidation” mitovy amin’ny rehetra ihany izany, hoy izy, fa ny ahy ny paositra Malagasy no arovako. Tsy misy mampatahotra ahy. Tiako marihina fa efa manipy resaka sahady ny minisitera ary mivoy any amin’ny prezidansa fa ny tale jeneralin’ny paositra no mitarika ny fitokonanay. Diso izany. Nisy ny fivoriana nataon’ny filankevim-pitantanana sy ny tale jeneraly ny zoma 25 jona niresaka momba ny hoe efa hita ny hevitra fa ho zaraina atao EPIC S.A ny paositra. Ny mpiasam-panjakana ho atao any amin’ny minisitera dia ny ECD na ireo mpiasa tsy raikitra mbola tsy hay izay hanaovana azy. Ny filohan’ny filankevim-pitantanana no niteny izany ary niteny tamin’ny tale jeneraly hoe tatero any amin’ny mpiara-miasa fa tokony hanangana komity ao anaty 2 volana ahafahana manao izay fizarana 2 ny paositra izay. Ny talata 29 jona no nampivory ny tale, ny sefon’ny departemanta ary ny lehiben’ny sampana ny tale jeneraly. Tsotra ny antony dia fampitana ny hafatra nasain’ny PCA niaraka tamin’ny minisitra hoe mila hatsangana alohan’ny 30 jona ny kaomisionina miisa 3, izany hoe mandefasa CV ianareo izay hiditra ao hanao ilay fanavaozana na “session et restructuration”. Vita fotsiny izay dia lasa ny tale jeneraly. Izahay mpiara-miasa avy eo no nanapa-kevitra fa tsy mety ary hamono tanteraka ny orinasa izany ka tamin’izay no nanomboka ny fanapahana fa tsy maintsy hihetsika satria tsy mety izany. Tsy ao anatin’ity hetsika ity ny DG an’ny paositra ary tsy izahay mihitsy no hiantso azy hoe andao isika hihetsika, hoy hatrany ity mpanara-maso ankapobeny ny paositra na “inspecteur principale des postes” ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT