Notanterahina omaly 14 desambra 2020 teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny
tatitry ny asa vitan’ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly (BIANCO) ho an’ny taona 2019. Ny Tale Jeneraly Andriamatoa Andrianirina Laza Eric Donat no nitondra ny tatitra teo amin’ny fivoriamben’ny Solombavambahoaka. Nambara tao anatin’izany fa maro ny asa vita, anisan’izany ny fananganana ny sehatra nomerika « i-toroka », ny birao rezionaly ho an’ny BIANCO any Morondava, ny biraon’ny PAC any Mahajanga sy ireo fanentanana isan-karazany ataon’ny BIANCO ary indrindra ny fampiharana ny lalàna. Eo ihany koa ny vina fametrahana ny fampiaranana io ady amin’ny kolikoly io eny amin’ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa. Nankasitraka ny ezaka vita ireo Solombavambahoaka ary nitondra ny fanamarihina avy amin’ny faritra misy azy ireo avy, hoy ny fampitam-baovao. Nivoitra nandritra izany ny fanamafisana ny fanaraha-maso hentitra ireo fifaninanana fidirana ho mpiasam-panjakana. Tsara ny mampahatsiahy, fa araka ny tatitry ny Bianco vao tapa-bolana mahery kely izay, dia nahatratra 6033 ny fitoriana sy fitarainana mombana kolikoly, izay fanodinkodinam-bolam-panjakana ny ankamaroany. Asa izay ho filaharan’i Madagasikara amin’ity, fa ny tamin’ny taon-dasa aloha, dia faha-158, izay nihemotra toerana efatra mitaha ny tamin’ny 2018.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.