Actualités

Andrianambinina Eddie Ny tetikasa «Bas Mangoky» izao no mahamaika


  • Zoma 06 Mey 2011


 Mbola anisan’ireo mpanao politika mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita tsy mety hiresaka politika be loatra i Andrianambinina Eddie avy any Morombe any amin’iny Faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara iny. “Ny sosialin’ny mponina no mahamaika izao. Ny andrasan’ny mponina any aminay dia ny fanatanterahana ilay tetikasa «Bas Mangoky» any Ambahikily Tanandava Angazary izay efa nahazoana vola avy amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana na BAD fa ny fandraisan’anjaran’ny Fanjakana Malagasy sisa andrasana”, hoy izy. “Heverinay fa ho anisan’ny hodinihina ao amin’izao fivoriana ara-potoanan’ny antenimiera mpanao lalàna roa tonta izao ny mikasika ny volavolan-tetibola fanitsiana ahazoana izany. Eto izahay hanohana izany amin’ny lafiny rehetra fa izay no andrasan’ny mponina any Morombe aminay solontenan’ny vahoaka itony”.

Manohy

SARY : Andrianambinina Eddie

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT