Actualités

Andriana Rakoto Clark Jack Dada be fitiavana, hoy ny zanany tao am-piangonana


  • Talata 09 Aogositra 2011


 Ny fianakaviana iray manontolo notronin’ny fianakaviamben’ny Andriana eto Madagasikara notarihan’ny fikambanana Zana-dRanavalona ary ny namana sy tapaka tsy nahafoy no tonga nanao rodobe nanao veloma farany ny nofo mangatsiakan’ny Andriana Rakoto Clark Jack teny amin’ny fasan-drazany eny Anosimanjaka tamin’ny alahady teo rehefa avy niombom-bavaka tao amin’ny Fiangoana Batista Biblika Ankadivato. Nambaran’ny mpitandrina fa ny manana an’Andriamanitra ho mpiahy tsy mba miandry fahafatesana ary tsy matahotra izany. «Tsy afaka hanao n’inona n’inona amin’ny velona ny maty», hoy ny fanamarihana nomeny.

Fohy dia fohy ny tenin’ny zanany iray nisolotena ny fianakaviana taorian’izany raha nisaotra ireo rehetra nanotrona tamin’ny filazana fa : «isaoranay Andriamanitra nanome anay Dada be fitiavana». Dia nampiharina tao amin’ity fanompoam-pivavahana ity ny vazivazy nataon’Itompokolahy tamin’ny mpanao gazety fony fahavelony hoe “raha sanatria lasa aho, dia tsy maintsy ventesinareo ao am-piangonana ny “Jeso reharehako”.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT