Viriosy mpahazo ny mpitondra Malagasy ilay tsy mena-mivadika. Mamy ny seza sy ny voninahitra ka miezaka mifikitra izay mahazo azy.
Tsy ny mpanao politika ihany no tratratr’ity aretin-tseza ity fa hatramin’ny teknisiana. Anisan’ireny ny lehiben’ny faritra Analamanga, Andriambololona Mananjara. Vao nanambara ny firotsahan-kofidiana filoham-pirenena i Hajo Andrianainarivelo dia nanohana azy i Andriambololona Mananjara. Nanao fanambarana ampahibemaso nandritra ny lanonana iray izay natrehan’ny Ben’ny tanàna avy eto Analamanga maro ny tenany tamin’izany. Mbola naira-nitokana foto-drafitrasa maro ihany koa ingahy kandida sy ny lehiben’ny faritra taorian’io. Asa anefa izay fifanolanana na tsy fitovian-kevitra misy ankehitriny fa lasa manenjika an’i Hajo Andrianainarivelo ho mampiasa ny volam-panjakana amin’ny tombotsoany ingahy lehiben’ny Faritra ankehitriny. Nandritra lanonana ofisialy koa no nilazany izany. Baraingo ny momba ny fahamarinana na tsia amin’ny fanambarany satria andraikitry ny IGE no manao fanadihadiana. Ilay fiovan-dasy tampoka mihitsy no mahatalanjona. Marihina fa mikasa hirotsaka solombavam-bahoaka ao Ankazobe ny lehiben’ny faritra Analamanga. Fa momba ny lehiben’ny faritra izay ihany dia nantsoin’i Hajo Andrianainarivelo ho mpanolotsainy i Razanakolona Paul, lehiben’ny faritra Vakinankaratra teo aloha vao vita ny famindram-pahefana tamin’ny mpandimby azy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.