Andriamanantena Marie Ange

> Maniry ny mba hananan’ny zaza mirenireny fiainam-baovao


  • Sabotsy 02 Novambra 2013


 

Avy amin’ny fandinihana ifotony ny zava-misy niaraka tamin’ny fifaneraserana tamin’ny Hafari Malagasy, ary noho ny fahatsapana sy fahitana ny fisian’ny zaza maro mirenireny an-dalambe ao anatin’ny Boriborintany Voalohany teto an-drenivohitra, no nahatsapan-dRtoa kely Andriamanantena Marie Ange mpianatry ny SAMIS-ESIC etsy Amparibe fa mila haverina eny anivon’ny fiarahamonina mba hanana trano fonenana, hahazo fianarana sahaza azy, hiakanjo tsara tahaka ireo namany sy hisakafo tsara koa ireo ankizy mirenireny eny an-dalambe ireny. Tsy tokony hialangalana mihitsy ny fanjakana, hoy izy, amin’ny fikarakarana ireny zaza sahirana ireny. Narafiny anaty boky izany zava-misy izany ary nentiny nanaovana fanohanan-kevitra hahazoana ny maripahaizana «Licence» tao amin’ity Oniversite tsy miankina ity ny alakamisy lasa teo. «Serasera ama-monina hanampiana sy hanabeazana ny zaza mirenireny ao amin’ny Boriborintany I Antananarivo Renivohitra, tranga : fikambanana Hafari Malagasy» no lohatenin’io fikarohana nataony io ary nahazoany ny isa 16,5/20 «mention très bien» tamin’izany taorian’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara notarihan’ny Pr Rabenilaina Roger Bruno.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT