Actualités

Andriamanana Rijasoa Josoa “Tsy nampoiziko ny tsy ho voaray mpiasam-panjakana”


  • Talata 13 Aprily 2021

Tao anatin’ny horonan-tsary na “vidéo” naharitra ora iray sy folo minitra, nivantana tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook,

 

 

 

 ny alin’ny alahady 11 aprily 2021 no nanaovan-dramatoa Andriamanana Rijasoa Josoa, minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha “révélations” na fanambarana maromaro mikasika ny diam-piainany. Tao anatin’izany no nilazany fa teo amin’ny faha-14 taonany no nitsiry tao aminy ny faniriana ho tonga minisitra. Nametra-panontaniana aho, hoy i Rijasoa Manana, ahafantarana azy, rehefa nahita an’i Marolahy William, izay dadatoany, voatendry ho minisitry ny “Instruction Publique” tamin’ny jolay 1995, hoe : inona no nahatonga azy ho minisitra ary inona no diplaoma ilaina amin’izany ? Nodiaviko avokoa ny fianarana nataon’ny dadatoako. Tao amin’ny Ecole Normale Supérieure (ENS) nahazo diplaoma CAPEN ho mpampianatra teny anglisy. Tsy nijanona teo fa mbola nanohy fianarana tany Etazonia, nandritra ny 13 taona ary nahazo diplaoma “doctorat” ho mpampianatra amin’ny ambaratonga ambony, nahazo fankasitrahan’ny mpitsara ary sangany “Major” tamin’ny andiany nisy azy. “Toa ny faniriako fony kely, fa tonga minisitra aho”, hoy i Rijasoa Manana na efa-bolana monja aza no tao amin’izany toerana izany. “Tsy nandoa Ariary, tsy nanao risoriso fa dosie 20 pejy no niteny”. Minisitry ny fanabeazam-pirenena tao amin’ny governemanta Ntsay Christian i Rijasoa Manana, ary ny jona 2020 no nesorina tamin’izany toerana izany. “Ekeko ho tsy fahombiazana iny “échec », ary raisiko ny andraikitra manoloana izany”, hoy izy. “Manana diplaoma ambony “doctorat” aho, efa avy minisitra fa tsy nampoiziko ny tsy ho voaray mpiasam-panjakana”, hoy i Rijasoa Manana. Nisy fotoana nalahelo nefa nitodika amin’Andriamanitra aho, hoy ity farany, ary ankehitriny lasa tompon’andraikitra tetikasa lehibe eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy ary koa mpampianatra amina oniversite Kristianina vitsivitsy araka ny nambarany. Tao anatin’ilay “vidéo” ihany koa no nampahafantarany fa nisy aretina nahiana ho homamiadana nahazo azy ny taon-dasa ary tsy maintsy nodidiana tamin’ny volana novambra 2020. Ankehitriny, Mpiandry, mandroaka devoly, mino ny fiasan’Andriamanitra ny tenany. “Tsy mahantra olo-mahay eto, fa mahantra olo-marina matahotra an’Andriamanitra”, hoy Andriamanana Rijasoa Josoa.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT